Sosialy

Fandravana trano tetsy Andrefanambohijanahary Tsy misy hidiran’ny CUA


  • Talata 27 Martsa 2018

Manoloana ny fandravana trano tetsy Andrefanambohijanahary ny herinandro teo dia nitondra fanazavana ny fiadidian’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), mba hisorohana ny savorovoro sy ny hevitra mety mampiahiahy ny mponin’Antananarivo.

 Ady tany ifanaovan’ny olon-tsotra  manokana sy ireo mponina monina eny an-toerana no zava-misy eny an-toerana ary tsy misy idiran’ny CUA fa tsy araka ny feo iniana aely etsy sy eroa. Manaja tanteraka ny rafitra misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana amin’ny fisarahan’ny fahefana iandreketany ny kaominina koa inoana fa samy tompon’andraikitra amin’izay tandrify azy ny tsirairay, hoy hatrany ny tompon’andraikitry ny CUA. Na izany aza anefa dia ilaina ny fijerena ny maha olona ka ny marimaritra iraisana ahitam-bahaolana no jerena voalohany, hoy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’io fandravana trano io. Isaorana ireo solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-4 nitondra ny anjara birikiny ho fitsimbinana ireo niharan’ny fandravana trano ireo.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT