Sosialy

Fandravana trano teny Ampitatafika Efa ela no tokony ho natao, hoy ny Ben’ny tanàna


  • Talata 09 Aprily 2019

Niteraka resabe teto an-drenivohitra ny faran’ny herinandro teo ny fisian’ireo trano am-polony voatery noravana teny Avaratetezana Ampitatafika ka niteraka ireo olona manodidina ny 100 isa voatery natory tamin’ny tany tsy nisy na inona na inona niaraka tamin’ny ankizy madinika.

 

 

 Nitondra fanazavana mikasika izay Atoa Rado Ramparaoelina, Ben’ny tanànan’Ampitatafika omaly ka nambarany  fa efa tamin’ny taona 2016 ireo trano ireo  no tokony ho noravana saingy niezaka ny nangataka ny famindram-pon’ny tompon’ny tany hatrany ny tenany in-droa miantoana.   Raha ny fanazavany, tsy sinoa 100 % araka ny feo mandeha no naka ny tany fa  sinoa efa Malagasy any amin’ny taranaka fahadimy ary efa mizaka ny zom-pirenena Malagasy. Manana taratasy ara-dalàna izy ireo izay hitan’ny masoko mihitsy raha tsy manana kosa ireo olona nanorina trano teo amin’ilay toerana fa nipetraka fotsiny  hatramin’izay. Rariny raha nalain’ny tompony amin’izay ny taniny. Rariny koa  raha  tsy nampandre  ny fokontany sy ny kaominina ary ny zandary teto Ampitatafika ny tompon’ny tany  satria mbola mety hiangavy ny tsy hanaovana izany indray aho  izay mety hanakana ny tetikasa tanterahin’izy ireo. Nomarihin’ity Ben’ny tanàna ity fa ho an’ny kaominina Ampitatafika manokana, efa betsaka ireo tany vita titra sy baorina amin’ny tompony amin’izao ao aminy, antony tsy hisian’ny BIF intsony.  Ho an’ireo vao hikarakara taratasy, dia olana ny faharovitan’ny boky ao Atsimondrano  koa hanaovany antso avo amin’ny fitondram-panjakana.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT