Sosialy

Fandraisana paraky sy sigara Hisy torohevitra maimaimpoana homena ireo miankin-doha


  • Zoma 31 Mey 2019

Mahatratra 6 tapitrisa isan-taona ireo olona maty vokatry ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky maneran-tany. Raha misy olona iray matin’ny SIDA amina toerana iray dia mahatratra telo kosa ireo matin’ny sigara sy paraky.

 

 

 

Loza mananontanona ho an’ny rehetra, araka izany, ny fandraisana ireo mahadomelina ireo, antony nanosika ny “Centre de Cure Aro Aina”, tarihin’ny dokotera Andriamiarinarivo Miarintsoa hanao hetsika goavana etsy amin’ny tahala Rarihasina Analakely, hanomboka anio zoma 31 mey, haharitra roa andro. Anisan’ny hotontosainy amin’izany ny fanomezana torohevitra maimaimpoana ireo olona hita fa tena miankin-doha amin’ireo mahadomelina ireo. Tafiditra ao ny fanomezana fanafody hahafahana manafaka ireo olona voafatotra. Amin’ny ankapobeny, mahatratra 30 isam-bolana ireo olona tonga manatona ity ivontoerana ity ka ny 75 % dia eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 22 taona ary 10 taona no zandriny indrindra. Maro ny aretina ateraky ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky raha tsiahivina toy ny homamiadan’ny avokavoka … Hankalazaina anio zoma ny andro maneran-tany iadiana amin’ny fidorohana ireo mahadomelina ireo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT