Sosialy

Fandraisana mpianatra ho zandary Azo fantarina amin’ny SMS ny voka-panadinana


  • Alakamisy 16 Janoary 2020

Hivoaka tsy ho ela ny vokatra tamin’ny fanadinana handraisana mpianatra ho zandary notanterahina ny 23 novambra lasa teo manerana ny Nosy.

 

 

 Mpianatra 12.000 no nandray anjara tamin’izany raha miisa 1.600  ireo  hiatrika ilay fifaninanana farany toy ny ara-panatanjahantena, ny fitsirihana ny toe-pahasalamany …. ka ny 1200 amin’ireo ihany no horaisina. 120 amin’ireto farany no toerana natokana ho an’ny vehivavy. Mba tsy hanahirana ireo mipetraka any amin’ny toerana saro-dalana sy lavitra anefa dia efa azo fantarina amin’ny alalan’ny sms alefa amin’ny orinasam-pifandraisana Airtel ny vokatra. Amin’ny alalan’ny fandefasana ny laharana niantsoana ny mpiadina any amin’ny 601 no hahafantarana izany amin’ny sarany 900 Ar isaky ny sms iray. Izany no hatao moa, hoy ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena ny jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa dia mba tsy ho tara amin’ny fivoaran’ny teknolojia avo lenta isika sady mariky ny fitohizan’ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny Airtel ihany koa. Nomarihiny manokana fa tena tao anatin’ny mangarahara no nanatanterahana iny fanadinana iny. Anisan’ireny ny fametrahana “camera de surveillance” teny amin’ny efitranom-panadinana, ny fampidirana olona sivily nanao ny laza adina sy nitsara izany….

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT