Sosialy

Fandraisana manana fahasembanana an-tsekoly Manomboka mitombo isa


  • Sabotsy 01 Desambra 2018

Ny alatsinainy 3 desambra ho avy izao no andro iraisampirenena ho an’ireo olona manana fahasembanana.

Araka ny fampahafantarana nataon-dry zareo eo anivon’ny tetikasa Mahay izay mivoy ilay antsoina hoe Fanabeazana mampiaty tetsy amin’ny foibe FJKM Analakely omaly dia hanamarika izany ihany koa isika eto Madagasikara. Hisy, araka izany, ny antsoina hoe Herinandro ho an’ny fanabeazana mampiaty izay homarihina amin’ny alalan’ny hetsika maro any amin’ireo toerana misy ity tetikasa anaty Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ity ny 3 hatramin’ny 8 desambra izao. Sekoly miisa 56 no miara-miasa amin’ny tetikasa Mahay ary hatramin’ny volana jolay teo dia efa mahatratra hatrany amin’ny 526 isa eo ireo ankizy manana  fahasembanana noraisin’ireo sekoly misehatra manokana amin’izany raha toa 401 teo aloha. Maro ny ezaka tokony hatao, hoy ny mpikarakara, satria azo lazaina ho mbola sekoly vitsy eto Analamanga sy  Vakinankaratra ary  Moramanga no voasarika hatreto. 13 isa ny eto Analamanga, 21 ny ao Vakinankaratra ary ny ambiny moa izany ao Moramanga. Hamaranana ny  hetsika ao amin’ny Lycée Moramanga moa ny 8 desambra izao ny hazakazaka fohy hifaninanan’ireo manana fahasembanana izay hantsoina hoe « Fo miara-mitempo ho an’ny fanabeazana mampiaty ». Araka ny teny hoe « Mampiaty » dia ny hampiroborobo fanabeazana tsy manilika an’iza na iza no tanjona.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT