Sosialy

Fandraisana ireo traboinan’ Ampamarinana Efa feno ny « village Voara »


  • Zoma 22 Febroary 2019

Fianakaviana marobe mivangongo amina tranoheva miisa folo traboina avy etsy Ampamarinana vokatry ny fianjeran’ny vatobe no fantatra fa mbola tavela etsy amin’ny Infp Mahamasina amin’izao ary tsy nahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana intsony.

 

 

 

 

  Nampanantenaina ny hafindra teny amin’ny village Voara Andohatapenaka izy ireo  ny alarobia teo saingy tsy  raikitra indray. Efa feno indray, hono, mantsy ny toerana raha araka ny fanazavan’ny filoham-pokontany ka nihanahana teo izy ireo. Ankoatra izao, hoy Razaiharimanana, renim-pianakaviana ihany koa dia efa ho tapa-bolana izy ireo izao no tsy nahazo fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana intsony nefa tsy afaka miasa.   Very fanahy mbola velona tanteraka izy ireo koa manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny ny raharaha.  Nomarihin’izy ireo fa tafiditra amin’ilay toerana voalaza fa faritra mena ny tanànany ka tsy azony hiverenana intsony. Feo mandeha ren’izy ireo ny filazana fa  hisy haka ny taniny. Anisan’ny asa mafy miandry azy ireo isan’andro amin’izao ny miambina ny entany ao an-tokantranony eny Ampamarinana izay tsy maintsy  hanaovana asa fisafoana maraina sy hariva.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT