Sosialy

Fandraisana an-tanana ny ankizy autiste Mila vola be ny fizahana


  • Alakamisy 06 Jona 2019

75.000 Ar amin'ny ankapobeny no vola ilaina rehefa manao fitiliana ankizy iray ahiana ho "autiste".

 

 

 Manampahaizana miisa 5 anefa no tsy maintsy andalovana ary mila miverina in'efatra farafahakeliny amin'ireo, izay psychologue, psychomotricien pédopsychiatre, orthophoniste ary neurologue. Noho izany indrindra no ilan'ny fikambanan'ny Autisme Madagascar ny fanohanan'ny rehetra. Namaly ny antso ny Groupe Filatex, taorian'ny fanentanana nataon'ny fikambanana tamin'ny volana aprily lasa teo. Nosoniavina omaly ny fifanaraham-piaraha-miasan'ny roa tonta, izay nampitondraina ny anarana hoe : "Opération Blue". Mitentina 66 tapitrisa Ar ny fanampiana avy hanohana tetikasa mizara 3. Fizahana sy fitiliana maimaimpoana ny tapany voalohany, nampitondraina ny anarana hoe : "Tily". Hifantoka amin'ny fahasalaman'ny ativava ny tapany faharoa, antsoina kosa hoe : "Tsiky". Ny tapany fahatelo farany nomena ny anarana hoe : "Tohana" dia hiompana amin'ny fampiofanana an'ireo rehetra mandray an-tanana ny ankizy "autiste". I Tsiroanomandidy, Toamasina, Fenoarivo Atsinanana ary Mahajanga no voakasiky ny tetikasa.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT