Mitombo isa hatrany ireo olona adala eto an-drenivohitra ankehitriny. Ankoatra ireo efa tena adalabe mihosom-potaka sy milona anaty maloto dia tsy vitsy ihany koa ireo mitondra fitaovana maranitra sy mivandravandra ka ahiana hamely tampoka mety hahafaty olona mihitsy.
Raha ny fanadihadiana natao teo anivon’ny BHM, sampandraharaha iray eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra mandray an-tanana azy ireny dia mbola miantona ao Tsimbazaza ny fandaniana ny lalàna momba ny fandraisana an-tanana azy ireny mandraka ankehitriny. Efa an-taonany no nisiany vokatry ny tsy fitovian-kevitra nisy teo amin’ireo mpizaika. Raha ny mikasika ity lalàna ity manokana dia zary manome tombony loatra ireo olona adala ilay lalàna saika holaniana ary tsy hita taratra ao ny fiarovantenan’ny tsirairay toy ireo mpitandro ny filaminana sy ireo olona misambotra azy ireny, hany ka lasa mitazam-potsiny ny rehetra. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa ho an’ireo adala efa nalefan’ny kaominina teny Anjanamasina fa tsy maintsy hiantohana ny hanina hohanin’izy ireny isan’andro raha tsy izany dia havoakany eny anivon’ny fiarahamonina indray. Saika tsy manana fianakaviana avokoa anefa ny ankamaroan’ireo adala eto an-drenivohitra. Ho an’ny minisiteran’ny mponina manokana dia fantatra fa efa eo am-piketrehana izay paikady hahafahana manampy ny kaominina amin’ny fijerena ireny adala mirenireny ireny izy ireo ankehitriny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.