Sosialy

Fandraharahana sy tontolo iainana Fahazoan-dalana 26 no navoakan’ny ONE


  • Alatsinainy 01 Jolay 2019

Mizara amin`ny sehatra valo samihafa eto Madagasikara ireo fahazoan-dalana navoakan`ny ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana (ONE).

 

 

 

 

Maharitra 60 andro ny faharetan`ny fandraisana sy fanadihadiana natao amin`ny fangatahana fahazoan-dalana hitrandraka na handraharaha eo amin`ny sehatry ara-tontolo iainana. Isan`ny fepetra takiana ny fanaovana tamberin’andraikitra amin`ny asa fanatsarana ny tontolo iainana araka ny didim-panjakana mifehy ny fahazoan-dalana eto Madagasikara, toy ny “biodiversitè” izay nahazo fahazoan-dalana iray. Iray ihany koa ho an` ny sehatry ny angovo. Fahazoan-dalana miisa valo ho an`ny indostria. Dimy ho an`ny tetikasa momba ny fitrandrahana. Telo ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana sy ny fifandraisan-davitra. Telo ihany koa ho an`ny sehatry ny fotodrafitrasa, telo ho an`ny sehatry ny fanodinana fako ary fahazoan-dalana miisa roa ho an`ny sehatry ny fiompiana, hoy ny tatitry ny ONE.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT