Sosialy

Fandotoana tanàna Efa lasa aretin’ny Malagasy


  • Alarobia 12 Septambra 2018

Tsy Antananarivo ihany fa saika manerana ny nosy ankehitriny dia maloto ny tanàna. Nikolay avokoa ireo mponina avy niala sasatra nohadihadiana.

 

 Araka ny nambaran’ny manampahaizana iray dia efa lasa aretin-tsaina ho an’ny Malagasy mihitsy io fahazarana mandoto io satria nozarina tsy hihevitra afa-tsy izay zava-miiba amin’ny maha izy azy. Efa hatrany amin’ny fanjanahantany io. Na nisy ezaka ny hanarina aza teo anelanelan’ny taona 1999 ka hatreo amin’ny taona 2008 dia tsy tafita satria tsy nety tamin’ireo fahavalom-pirenena ny fahatsapan-tenan’ny olom-pirenena Malagasy ho tomponandraikitra, hoy hatrany ny manampahaizana iray momba ny haiolona sy haitoetra. Tsy maintsy ny avy any an-tampony aloha no manome ohatra tsara voalohany ny vahoakany dia manaraka tsikelikely avy eo ny kaominina sy ny fokontany raha tiana ny hialana amin’io toetsaina ratsy io, hoy izy.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT