Miitatra ny lonilony eo amin’ny orinasa mpamatsy solika Jovena sy ny Fanjakana Malagasy amin’izao fotoana izao. Voalaza fa nanapa-kevitra ny hanajanona ny famatsiana solika ny Jirama io orinasa io,
ka nangataka ny handoavana ny trosany 8 volana aloha. Vidina solika fandrehitra sy hofana milina ireo voalaza fa tsy voahefan’ny Fanjakana io. Nilaza kosa ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly, fa “io Jirama io dia anisan’ny orianasa ohatran’ny Air Madagascar, ratsy tantana nandritra ny taona maro. Miezaka manitsy izany haratsian’ny fitantanana izany. Tsy azo terena ny fitondram-panjakana handoa vola izay tsy voalohan’ny jirama any amin’ireny mpamatsy sy mpiara-miombon’antoka ireny. Raha misy faktiora tsy voalohan’ny jirama mikasika solika sy angovo, dia tsy maintsy jerena antsipirihany, ary mila fandraisana andraikitra ny jirama izany satria misy tompon’andraikitra mpitantana”, hoy ny Lehiben’ny governemanta. Nahitsy izy nilaza, fa raha misy miteny hoe tsy maintsy aloha daholo kanefa tsy ampy ny porofo dia tsy afaka mandoa izany Fanjakana. Teo anatrehan’ny fanapahan’ny Jovena ny famatsiana solika sy ny fiaraha-miasa amin’ny Jirama, dia niditra tamin’ny “réquisition” na fanerena io orinasa io ny Fanjakana. “Raha mikasika fiainam-pirenena dia tsy hanaiky izany ny Fanjakana”, hoy ny Praiminisitra. Tsy nanaiky ny Jovena ka nitondra ny raharaha any amin’ny filankevi-panjakana, saingy nolavina, ka andrasana amin’ny herinandro ny fitsarana. Heverina fa misy ifandraisany amin’ny raharaha nanesorana ny Tale Jeneralin’ny Jirama Atoa Vonjy Andriamanga nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo. Azo sokajiana ho raharaha goavana ary tena stratejika be io fifanolanan’ny Fanjakana amin’ny Jovena io, ary mety ho lasa lavitra. Samy miandry izay ho tohiny ny rehetra. Raha ny voalan’ny Tale Jeneralin’ny Ofisim-pirenena momba ny akoran’afo na ny OMH ny herinandro lasa teo ihany koa moa, dia voalaza fa mahatratra 43 miliara Ar ny trosa ananan’ny orinasa mpaninjara solika amin’ny Fanjakana amin’ny fitazonana ny vidin-tsolika, izany hoe tsy any amin’ny resaka jirama ihany, fa mbola misy resaka trosa hafa mamatotra ny Fanjakana amin’ny kaompanian-tsolika.
Tsara ho marihana fa ao anatin’ny Axian Group, tahaka ny banky BNI an’ilay mpanefoefo Hassanein Hiridjee ny orinasan-tsolika Jovena. Tafiditra aoo anatin’ireo olona 5 manankarena indrindra eto Madagasikara I Hassanein Hiridjee ary tsy eto ihany izy no mandraharaha fa hatrany amin’ny ranomasimbe Indiana, Afrika ary Eoropa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.