Sosialy

Fandidiana maika Miantso tolo-tanana i Solofonantenaina


  • Alakamisy 06 Jona 2019

Efa ho 8 volana teo ho eo no nisy karazana fivontosana kely ny mason-dRakotonandrasana Solofonantenaina, tovolahikely 18 taona avy any Manalalondo.

 

 

Nokitihina io fivontosona kely io, kinanjo nivadika ho fivontosana be sy nitarika fahapotehan’ny masony, izay lo mihitsy. Resaka “tumeur” amin’ny lalàn-dra nivoto mifandray amin’ny atidoha, raha ny ambangovangon’ny voalazan’ny mpitsabo. Mila fandidiana maika ka 1 400 000 Ariary eo ho no ilaina raha ny nambaran’ny mpitsabo eny amin’ny Hopitaly Mahitsy, ary raha tsy vita eo dia halefa any ampitandranomasina. Ny fanesorana ilay maso efa lo sy fanadiovana hatreto ary miandry ny fandidiana. Manao antso avo amin’ny Malagasy mpiray tanindrazana tsy ankanavaka na ny fitondram-panjakana, olon-tsotra,… mba hanolo-tànana sy hanao fitia tsy mba hetra ny fianakaviany satria tena sahirana, ary efa fongana ny vola kely teo am-pelantanana. 034 13 990 04 ny laharana hahazoana ny fianakaviany sy hahafahana mandefa vola ho tolo-tànana ho azy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT