Sosialy

Fandehanana fiaramanidina eto Tsy mba natao ho an’ny Gasy kely mahatra...


  • Talata 15 Oktobra 2019

1 100 000 ariary ny saram-piaramanidina Antananarivo-Toliara. 1 200 000 ariary indray, Antananarivo-Sambava. Raha hihazo an'i Toamasina miainga eto Antananarivo dia 500 000 ariary.

Santinony amin'ireo saram-piaramanidina eto amintsika izany. Raha oharina amin’ny any ivelany dia avo roa heny ary mety hahatratra avo folo heny. Ohatra, Paris-Miami, dia 175 euros na 717 500 ariary (1€=4100 ariary). Washington mankany New York, 109 euros na 446 900 ariary. Ireo tarehimarika ireo dia miparitaka eo anivon'ny tambajotra fifandraisana. Raha ny fanazavan'ny mpahay toekarena iray, mifampiankina amin'ny fiovaovan'ny vidin-tsolika ampiasaina amin'ny fiaramanidina no mahalafo na mahamora ny zotram-pifamoivoizana ana habakabaka. Hisy fiantraikany amin'ny lafiny ara-barotra izany. Mahakasika ny saram-piaramanidina dia misy "optimisation" atao. Misy ireo sokajiana ho mpanjifa be, indrindra ireo misehatra eo amin'ny angovo, no mandoa sarany latsaka noho ny mpanjifa tsotra. Teboka iray tsy azo adino koa fa ny olona amin'ny faritra dia lafo kokoa ny herinaratra raha oharina amin'ny eto Antananarivo. Noho izany, hakarina ny isan'ny mpanjifa. Hisy fiantraikany ihany koa amin'ny orinasa maro misehatra amin'ny fizahantany io fiakaran' ny saram-piaramanidina io, indrindra eo amin'ny lafiny fifanakalozana avy any ivelany na eto an-toerana. Rehefa kajiana ny hetra takiana amin'ireo mpandraharaha amin'ny sehatra fitaterana an habakabaka dia mampiakatra io sarany io. Tsy handeha fiaramanidina mihitsy ny gasy kely raha izao no zava-misy eto amintsika satria tsy ho takatry ny fahefa-mividy. Ny karama farany ambany eto Madagasikara (SMIC) aza moa dia 200 000 ariary izay tsy ny rehetra no mahazo azy.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT