FANDEFASANA MPIASA MANKANY IVELANY

Mirongatra ireo mpisoloky, am-polony no lasibatra


  • Talata 27 Janoary 2026

mirongatra ny asa fisolokiana amin'ny

fandefasana mpiasa Malagasy mankany ivelany amin'izao. Fantatra izany taorian'ny fitsirihana sy ny fitoriana voarain' ny Tale misahana ny fivezivezena sy ny fifindra-monina eo anivon'ny Polisim-pirenena ny kaomisera divizionera Samy Harison Olivier. Ho an-dRtoa Solange sy ny ekipa izay namita olona tamin'ny alalan'ny tambajotran-tserasera Facebook dia nambarany fa asa man-kany Canada sy Suisse no nampanantenainy ireo lasibatra. 3 ka hatramin'ny 5 tapitrisa Ar isanisany ny vola naloan'ireo voasoloky tamin'izany. Lasan'ireo mpanao ratsy ny vola dia nolazainy fa miandry valiny avy any amin'ireo mpampiasa any ivelany sisa kinanjo tsy hita intsony izy ireo. Olona miisa 9 no nitory tamin'io raharaha voalohany io. Ho an'ilay faharoa indray dia olona 17 isa no lasibatra. Asa amin'ny Sambo any Maldives no nampanantenainy iretsy voalohany ka vola 2 tapitrisa Ar isanisany no nalaina tamin'izy ireo. Ankoatra ireo raharaha roa voalaza ireo moa dia tera-tany Pakistanais iray koa no voasambotra milaza fa mahavita passeport vahiny sy gasy. Niakatra fampanoavana omaly Alatsinainy 26 Janoary avokoa ireo tompon'antoka tamin'ireo raharaha ireo.
Pati

Légende : Ny kaomisera divizionera Samy Harison Olivier !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT