Fitarainana miisa 30 no voarain'ny tompon'andraikitra hatramin'ny
fiandohan'ny taona 2025 no mankaty mikasika ny fisolokiana momba ny fandefasana mpiasa Malagasy mankany ivelany. Tambajotra iray indray no ravan'ny mpitandro ny filaminana ny faran'ny herinandro teo. Vehivavy miisa 2 , izay voafitaka tamina tolotr'asa mankany Maurice no nitaraina raha tsiahivina ary nametraka fitoriana teo anivon'ny sampan-draharahara misahana ny fanadihadiana manokana sy miady amin'ny hosoka teo anivon’ny Polisim-pirenena ny 31 Jolay lasa teo. Vola mitentina 8.000.000 Ariary avy nolazaina fa saran’ny fikarakaràna rehetra nalain'ireo mpisoloky tamin'izy ireo kanefa dia antontan-taratasy hosoka avokoa no natolotr'ireto farany azy, hatramin'ny tapakilan'ny fiaramanidina. Voasambotra ny 01 Aogositra teo ny olona 4 mpiray tsikombakomba tamin'ireo mpanao hosoka ka taratasy hosoka maro be no tratra tany amin’izy ireo nandritra ny fanadihadiana. Hita tamin’izany ohatra ny Kopian’ny soram-pahaterahana hosoka miisa 49, karapanondro hosoka miisa 6, valin’ny fizahàna ara-pahasalamàna hosoka miisa 12 sy taratasim-pokontany hosoka maro hafa. Niaiky moa izy ireo fa hosoka avokoa ireo taratasy ireo ka nanoro ny tompon’antoka tamin’ny famoronana ny hosoka izy ireo. Ny 16 Aogositra teo indray no tratra ireo olona roa tompon’antoka voalohany amin'ny fanaovana ireo taratasy hosoka. Nandritra ny fisavàna dia hita tao an-tranon'ireto farany ny fitombokase hosoka miisa 112 izay amin'ny anarana sampan-draharahampanjakana maro, toy ny ratsa-mangaikan'ny Ministeran'ny Fitsarana (9 isa) , Ministeran'ny Raharaham-bahiny (3 isa) Minisiteran' atitany sy ny Fanapariaham-pahefana ( 74 isa) ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka ( 15 isa) ary fitombaka sampan-draharahara tsy miankina ( 11 isa). Raha araka ny fantatra dia mampiasa karazana karapanondro hosoka ireto olon-dratsy ireto hanantanterahana ny asa ratsiny ary amboarin'izy ireo avokoa ny antontan-taratasy rehetra ilaina ny amin'ny fandehanana miasa any ivelany toy ny « bulletin n°3 », Kopia lava, ny Soratra an-tsisiny, fanamarinam-ponenana, fanomezan-dalana avy amin’ny raiamandreny, soram-piankohonana, fanamarinana amin’ny asa, fizaham-pahasalamàna, diplaoma, miampy taratasy hosoka maro samihafa. Fantatra fa 3 tapitrisa Ariary ka hatramin'ny 10 tapitrisa Ariary no alain'izy ireo amin'ny olona izay maniry hiasa any ivelany ary misy ireo misedra fahasahiranana goavana rehefa tonga any amin'ny tany tokony hiasany satria taratasy hosoka avokoa no entin'izy ireto nivoaka. Betsaka ihany koa ireo voasoloky tsy afaka nivoaka mihitsy.Hatramin'ny tapakilan’ny fiaramanidina nampiasaina azaantsy dia hosoka avokoa. Olona miisa 5 no nidoboka am-ponja vonjimaika tamin’ity raharaha ity rehefa niakatra fampanoavana ny 04 Aogositra sy ny 20 Aogositra lasa teo.
Pati
Légende : Ireto ry zareo be ati-doha amin'ny fisolokiana !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.