Sosialy

Fandefasana mpiasa an-tsokosoko any ivelany Betsaka ireo efa nampidirina am-ponja


  • Talata 26 Martsa 2019

Tsy mipetra-potsiny intsony ny polisim-pirenena taorian’ny nisian’ireo olona maromaro tratra nandefa mpiasa Malagasy an-tsokosoko tany ivelany, indrindra fa tany amin’ireo tany arabo.

 

 

Tafiditra ao anatin’izany ireo vehivavy izay tambatambazana karama 600.000 Ar isam-bolana ary hahazoan’ireo mpanondrana 100.000 Ar isan’olona raha kely hanamboarana ny antontan-taratasin’izy ireo… Raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny polisim-pirenena dia betsaka ireo olona efa nampidirina am-ponja ka nisy mihitsy ireo nalefa eny Tsiafahy sy Antanimora.  Midina ifotony manara-maso mihitsy izy ireo. Anisan’ny hiasan’izy ireo ny fanaraha-maso ireo olona manamboatra pasipaoro ka raha vantany vao mikasa ny handeha any amin’ireo firenena arabo toa an’i Koweit,  Liban… ny vehivavy iray dia efa hanokafan’izy ireo fanadihadiana. Tsy latsa-danja amin’izany ny fijerena ireo  toerana ahiana misy ny “agence de placement” miorina any an’elakelatrano ireny izay marihina fa efa tsy manao peta-drindrina intsony ny ankamaroany ankehitriny. Avy hatrany dia samborina izay tratra raha ny fantatra hanaovana fanadihadiana ary hatolotra ny fitsarana avy hatrany. Tsiahivina moa fa ny 24 febroary lasa teo no niainga teto amintsika ireo delegasiona avy amin’ny fanjakana hampody ireo mpiasa Malagasy mijaly any Koweit.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT