Sosialy

Fandaniana herinaratry ny Jirama Azo ahena hatrany amin’ny 30%


  • Sabotsy 19 Mey 2018

Azo atao tsara ny mampidina hatrany amin’ny 30% ny fandaniana herinaratra eto Madagasikara, raha ny nambaran’ny solotenan’ny orinasa matanjaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, Schneider Electric, Andry Ramaroson, eto amintsika.

Nisy ny tolo-bahaolana maro izay naranty tao Antsirabe ny herinandro teo nampahafantarana ny fahafahana ho tonga amin’izany, hoy hatrany ny tenany. Io paika io dia ahamora rahateo ny fitantanan’ny fanjakana ny tontolon’ny herinaratra eto amintsika sady hanome fahafahana bebe kokoa ny Jirama eo amin’izay lafiny famatsiana izay. Efa tontosa, hoy ny fanazavana, ny fananganana saha mitahiry angovo (Parc photovoltaique) hatramin’ny 300 megawatt tao anatin’ny 10 volana nanamorana ny Cestas France. Tetikasa izay miantoka ny fahaveloman’ity saha ity mandritry ny 20 taona. Efa nisy koa ny fifanarahana natao tamina orinasa frantsay mpisehatra amin’izay tontolon’ny herinaratra izay ny taona 2017 ka nahatratra 750 MW ny fitambaran’ireo saha mipariaka amina kaontinanta 3 dia Eoropa sy Amerika latinina ary Aostralia. Tsy misy herintaona dia azo apetraka eto amintsika io tetikasa io, hoy ny fanazavana, ary tsy mihoatra ny 5 taona dia efa tafaverina ny fandaniana tamin’ny fametrahana azy.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT