Sosialy

Fandaminana vaovao Hisy tsena ao amin’ny farihin’Anosy


  • Zoma 31 Janoary 2020

Nanapa-kevitra ny mpitantana eo amin'ny tanànan'Antananarivo fa hafindra etsy amin'ny zaridaina ireo mpivarotra isaky ny alakamisy voakasiky ny fanamboarana ny kianjan'i Mahamasina.

 

 

 Io ny fepetra noraisina taorian’ny menonomenon’ireo mpivarotra voailika, izay maro no nampiaka-peo satria mpivarotra ara-dalàna fa tsy tahaka ny eny an-tsisin-dalana, hoy ny fanehoan-kevitra. Nisy ireo nitaraina fa tsy misy vola miditra kanefa nindram-bola tany amin’ny banky. Zaridaina sy toerana maitso azo hipetrapetrahana moa ity avadika ho toeram-pivarotana ity, izay efa nosoritsoritina ny arabe ao anatiny havadika tsena. Tamin’ny andron’ny fanjakana HVM no nohajariana io toerana io. Raha amin’ny endriny ankehitriny aloha, dia tony sy milamina amin’ny maha zaridaina azy. Ho lasa tsena rehefa alakamisy, ary mety hitohy isaky ny andavanandro ka asa na ho vahaolana sy fepetra vonjimaika ihany na ho lamina mandavan-taona izao napetraka izao. Tahaka ny ahoana ny mety ho kiana sy fanenjehana ny mpitantana ny kaominina talohan’izao raha nandray fanapahan-kevitra tahaka ity ?

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT