Sosialy

Fandaminana tsena any Sambava Leo famindran-toerana lava ireo mpivarotra


  • Alatsinainy 28 Septambra 2020

Miteraka savorovoro ny famindran-toerana ireo mpivarotra ao amin` ny kaominina ambonivohitra Sambava. Fanintelony izay no namindrana azy ireo.

 a

 

Tany am-piandohana dia nafindra teo amoron` ny lalàm-pirenena RN5 A. Avy eo nafindra indray tany ambadikin` ny “Stade Municipale”. Izao indray dia niafara any amin` ny seranam-piaramanidina any Ambodisatrana izao. Manomboka mampiaka-peo ireo mpivarotra satria tsy mety hivarotana izany toerana izany. Antony maromaro no nahatonga izany, araka ny fanazavan'izy ireo: voaloany, amin'ny maha seranam-piaramanidina azy dia mitady hanidina avokoa ireo elobe izay natao hialokalofana, noho ny rivotra be loatra. Misy aza miafara amin'ny fahasimbany ireo fitaovana ireo. Faharoa, mampatahotra ihany koa ny amin'ny fidinan'ny fiaramanidina ary atahorana ho paohiny rivotra ireo elobe ka hitera-doza. Sarotra amin'ny mpanjifa noho teny amin'ny RN5A, satria mbola mora lavitra ny mijanona eny raha oharina eto amin'ny Manainga Zipo. Mitaky ny fiverenana amin` ny fanapahan-kevitra no raisin` ny ben` ny tanàna ireto mpivarotra ireto. Mitaky ihany koa ny hamerenana azy amin'ny toerana nivarotany teo aloha izay ambadika ny "stade municipale". Sarotra tokoa ny fandaminana ny tsena eto Madagasikara. Raha tsiahivina dia nitrangana savorovoro ihany koa ny tany Fianarantsoa ny zoma lasa teo ka nisy mihitsy ny fanpahan-dalana sy fidianana an-dalambe.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT