Raha mbola ny fanisahana mpivarotra no eritreretin’ny kaominina atao, hoy ny sefo fokontany etsy Anatihazo Isotry, Jacky Ravaloson, dia tsy vahaolana izany.
Mikisaka izy dia miverina eo ihany, hoy izy. Ny fametrahana “piquet” ataon’ny kaominina sy ilay hoe tanora miambina ilay tsena amin’ny fanisahana dia tsy mahavaha olana koa satria izy ireny indray ary no lasa sakana satria miaro ilay mpivarotra amin’ny fibahanan-dalana. Ho ahy dia tsy misy afa-tsy ny fanavaozana mihitsy tsena ho an’ireo mpivarotra ireo na inona na inona ataontsika dia ny fanamboarana tsena vaovao no vahaolana. Tolo-kevitra lehibe atolotro ny fanjakana sy kaominina mihitsy ny momba ity gara idiran’ny masinina ity satria tokony efa tsy hiditra aty an-drenivohitra intsony izany fa io lalamby io no tokony avadika ho arabe sy tsena lehibe hanalana ny mpivarotra eto Antananarivo. Ho anay eo anivon’ny fiadidiana ny fokontany moa dia masiaka mihitsy ny tena amin’io mpivarotra mibahan-dalana io. Vao mikasa ny hipetraka amina toerana tokony tsy hivarotana ny olona dia efa tokony ho esorina fa tsy hoe efa mahazo toerana vao esorina, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.