Nanao hetsika fanairana tetsy amin’ny Pavillon Analakely ny faran’ny herinandro teo ny fikambanan’ireo mpivarotra eo anivon’ity tsena ity na ny FIMPAVA mba hanairana ny avy eo anivon’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra hanala ireo mpivarotra tsy ara-dalàna izay manakona ny mpivarotra ara-dalàna ao amin’ny pavillon.
Efa nisy ny fifampiresahana tsy latsaky ny in-dimy tamin’ny ben’ny tanàna, Lalao Ravalomanana, tamin’ny taon-dasa raha ny fanazavan’izy ireo, ary vahaolana natolotra ny fanefena ireo lalana miditra saingy mbola tsy afaka hatrany ireo mpivarotra an-tsisin-dalana. Miisa 814 ireo mpivarotra ara-dalàna ary zara raha misy 20% amin’ny tombom-barotra teo aloha sisa no azon’izy ireo raha misy dia misy, hoy hatrany ny fanazavana, satria misy entana hamidin’ny ao anaty tsena amidin’ireo eo amoron-dalana mora. Araka ny fanadihadiana natao moa dia re fa misy tompon’andraikitra avy amin’ny kaominina ihany koa maniraka olona mitaky vola amin’ireo mpivarotra amoron-dalana ary antony tsy hialany teo. Araka ny fantatra dia efa nanome baiko ireo mpiara-miasa aminy teo anatrehan’izy ireo mihitsy tamin’izany fotoana izany ny ben’ny tanàna ny amin’ny hamindrana toerana ireo mpivarotra tsy nety niditra tao anatin’ny tsena saingy mahagaga ireo mpivarotra nanao hetsika fanairana ireto anefa ny mbola tsy fialan’ireo mpivarotra amoron-dalana. Mitoetra ihany ny ahiahy noho ny zava-mitranga, sao misy manipy hoditr’akondro ny ben’ny tanàna na koa misy mamahan-dalitra ka mahatonga ny fanapahan-kevitra hafahafa ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.