Te hitoraka voninkazo ireo polisim-pirenena niasa nanampy ny fandrindrana teny amin'ny toeram-panadinana CEPE androany (TTF: Omaly) aho,
hoy ny ray aman-drenin’ny mpianatra nanala fanadinana tetsy amin’ny EPP Betongolo. Tena niasa ary tsy toy ny taloha hoe biby fampitahorana ny polisy fa tena olona azo atonona raha misy olana ary tena manampy. Misy fiovana be ny fomba fiasa sy ny fomba fifandraisana amin'ny olona. Manantena aho, hoy izy, fa tsy hitodika ivoho intsony ny ezaka sy ny fivoarana nisy fa hizotra hatrany mankany amin'ny mety kokoa. Tao ireo nanatitra ireo ankizy tsy nahita ny ray aman-dreniny nisakafo. Tao koa ny ny nanatitra ireo zaza diso toeram-panadinana, hoy hatrany ny fanamarihana. Na izany aza anefa dia nisy ihany koa ireo fitarainana heno tamina toeran-kafa, toy ny teny Andoharanofotsy, izay nahenoana mpianatra torana vokatry ny fisisihana hiditra ny vavahady.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.