Sosialy

Fandaminana fifamoivoizana Manomboka malalaka ny eny Analamahitsy


  • Alakamisy 13 Febroary 2020

Nitondra fandaminana vaovao ny polisim-pirenena hanalefahana ny fitohanan'ny fifamoivoizana eny amin'ny faritra Analamahitsy sy ny manodidina.

 

 

 

Araka izany dia
natao ho lalana azo handrosoana fa tsy azo hiverenana (sens unique) ny eo anelanelan’ny tobim-pivarotan-tsolika Galana  sy ny Total Analamahitsy. Nomena vahana kosa ny fiara miditra avy any amin’ny lalam-pirenena fahatelo hamonjy  ny renivohitra. Misy fotoana ihany koa atao lalana azo handrosoana sady azo hiverenana (double sens) ny eo amin'ny Galana mihazo an'i Masay sy ny avy eo Masay mihazo an’i Galana. Nesorina ireo fiara mihantsona eny amin’ny sisin-dalana, nakisaka koa ny fihantsonan’ny taksibe mba hialana amin’ny fitohanana eo amin’ny Galana Analamahitsy. Nanomboka  ny alatsinainy teo no nanaovana ny fandaminana  ary ny polisy misahana ny fifamoivoizana sy ny polisin’ny  boriborintany fahavalo no manatanteraka ny asa. Malalaka tsara ny lalana mizotra mankany Analamahitsy  amin’izao.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT