Sosialy

Fandaminana an’Anosibe Mangataka tsena vaovao sy asa ho an’ny tanora ireo mpivarotra


  • Alatsinainy 20 Janoary 2020

Niverina namonjy ny toerany sahady nanomboka ny sabotsy maraina teo ireo mpivarotra amoron-dalana sasany etsy Anosibe taorian’ilay korontana nitranga teny an-toerana ny zoma alina teo.

 

 

Olona tsy manana antom-pivelomana hafa ny ankamaroan’izy ireo nefa manofa trano, mampiana-janaka, mandoa vidin-jiro… raha araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana. Tsy manohitra fandaminana izahay hoy izy ireo saingy mangataka vahaolana maharitra avy amin’ny fitondram-panjakana kosa toy ny fanomezana tsena, hoy hatrany ireo mpivarotra izay renim-pianakaviana ny ankamaroany, ankoatra ny famoronana asa ho an’ny tanora, hampihenana ny asa fanendahana sy ny hala-botry. Anisan’ny faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana ihany koa mantsy Anosibe amin’ny ankapobeny ka tsy vitsy ireo mitaraina eny fa na dia ny mpandalo aza. Nomarihin’ireo mpitandro ny filaminana izay manao ny asa fanadiovana moa fa baiko no azon’izy ireo ka tsy maintsy tanterahiny. Tsy hijanona ny asa, hoy hatrany izy ireo raha tsy milamina sy mirindra Anosibe. Lehilahy roa moa no voasambotra nandritra ilay korontana teny an-toerana ny zoma alina teo raha tsiahivina.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT