Miezaka manatanteraka ny teniny ny orinasa JIRAMA sy ny minisiteran’ny angovo, ny rano ary ny akoranafo amin’ny famatsiana rano ny mponin’Antananarivo.
Mandroso araka ny tokony ho izy ny asa fametrahana forazy « forage » eny Antsahamasina, kaominina Ambohidrapeto. Ity farany izay tafiditra anatin’ny faritra Andrefan’Antananarivo, izay zara raha mahazo rano fisotro madio avy amin’ny orinasa JIRAMA. Nisy ny faran’ny herinandro teo ny fidinana ifotony notanterahin’ny minisiteran’ny Angovo sy ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny orinasa JIRAMA niaraka tamin’ireo sefo fokontany hahazo tombontsoa amin’ity tetikasa ity. Efa azo tsapain-tanana ny famokaran-drano avy amin’ny alalan’ny «forage» eny Ambohidrapeto. Vinavinaina ho vita amin’ity faran’ny volana ity ny asa ary afaka hamokatra rano 100m3 isan’ora ireo «forage» miisa enina hapetraka eny an-toerana. Nanome toky ny teknisianina fa hamaha ny olana amin’iny faritra Andrefan’Antananarivo iny ity tetikasa ity ary atsy ho atsy dia hiitatra any amin’ireo faritra hafa toy ny faritra Avaratr’Antananarivo (Sabotsy Namehana sy ny manodidina), ny faritra Atsimo (Ambohijanaka, Andoharanofotsy, Mahalavolona, …), ny fametrahana «forage». Tsiahivina moa fa notanterahina ny faran’ny herinandro teo koa ny fanombohan’ny fametrahana ireo «citerne» goavana, mahazaka hatramin’ny iray alina litatra, manerana ny fokontany miisa 23 ao amin’ny faritra Andrefan’Antananarivo.
Pati sy Marigny
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.