Sosialy

Fandaharan’asa fanampiana ny mpiara-belona Hiara-hisalahy ny FID sy zandarimariam-pirenena


  • Alakamisy 15 Aprily 2021

Navaozina omaly 14 aprily tamin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonia teny amin’ny Toby Ratsimandrava Andrefan’Ambohijanahary

 

ny fiaraha-miasa eo amin'ny zandarimariam-pirenena sy ny fandaharan’asa FID (Fonds d'Intervention pour le Développement) mikasika ny fiahiana ny mpiara-belona samihafa manerana ny faritra maro eto Madagasikara. Tetikasa mitondra ny anarana hoe: “Fiatrehana ny voina sy fanarenana”, ka hitondra tantsoroka amin’ny fampanajana ny fepetra ara-pahasalamana, toy ny fanasana tànana, ny fitondrana arovava, ny fanajana ny elanelana, fandrindrana ahafaha-mampihena ny fifampikasohana mandritra ny fandoavana ny fanampiana ho an’ny vahoaka,… ny zandarimariam-pirenena. Notsiahivin’ny Tale Jeneralin’ny FID Atoa Jaona Andrianantenaina, fa nanomboka ny taona 2019 no efa niara-dalana ny Zandarimariam-pirenena sy ny FID tao anatin'ny fanatanterahana ireo fandaharan'asa. Mikendry hatrany ny fiarovana ny mponina any amin'ireo faritra rehetra iasan'ny FID, fiarovana ny mpiasa, ny fitaovam-piasana, ny vola, ny toerana sy fotoana fandraisana ny vatsy ara-bola ary koa ireo mpisitraka io fandaharan’asa io”, hoy izy. Izao ihany koa no natao dia ho fanamafisana ny fanarahana ireo fepetra ara-pahasalamana enti-miady amin'ny valanaretina izay misy ankehitriny. Amin’ny alalan’ny famaritana mazava mialoha, dia hahazo vaovao momba ny filaminana eo amin’ny faritra hiasany mialohan’ny fanatanterahana izany, ary hisy mpitandro filaminana miaraka aminy mandritra ny fidinana ifotony ireo mpiasa sy sy ny mpiara-miombon’antoka amin’ny FID, raha ny fanazavan’ny Jeneraly Andriananjanaka Njatoarisoa, Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena. Natao io tsy ho fiarovana amin’ny hisian’ny halatra na fandrobana, fa ao anatin’ny fiarovana eo anatrehan’ny risika lehibe amin’ny ara-pahasalamana ihany koa, araka ny fanazavana teknika.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT