Sosialy

Fandaharan’asa AFAFI-NORD - Mahavavy Mandeha ny asa fanarenana ny tambazotra fitarihan-drano


  • Alarobia 10 Martsa 2021

Mizotra araka ny tokony ho izy ny asa fanarenana ny tambazotra fitarihan-drano ao Mahavavy, distrikan’Ambilobe, Faritra DIANA.

 

 Mitentina 3,4 miliara Ar ny lela-vola holaniana amin’izany, fanampiana avy amin’ny Vondrona Eoropeana tamin’ny alalan’ilay fandaharan’asa AFAFI Nord. Ny fandaharanasa AFAFI –Nord raha tsiahivina dia mikendry ny hampiroborobo ny sehatra fambolena lovain-jafy, iaraha-misalahy ary mahavokatra. Laharam-pahamehana ho azy ny tena hamahana ny fototry ny olana hatrehina any amin'ny distrikan'Ambilobe, izay faritra iantsorohan'ny fandaharan’asa, mba hampiroboroboina ireo vina ara-toekarena sy ara-pambolena. Kasaina hovitaina alohan'ny faran'ity taona 2021 ity ny asa.Vokatry ny asa hatao dia hiakatra ny fahafahan'ny tambajotra manondraka velrantany manodidina ny 18 000ha Ny 8 600 ha amin’izay hampiasain'ny mpamokatra ary 9.400 ha an'ny orinasa mpamokatra siramamy.Manodidina ny 5 970 ireo tantsaha mpapiasa ny rano avy amin’nity tambazotra ity ary 400 ireo  izay hahazo tombony mivantana amin'ity asa fanarenana hatao ity.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT