Fandaharan'asa

FANDROSO Miisa 1.823 ny dosie voaray


  • Talata 25 Aogositra 2026

22 avy any Toliara

Mitohy ny fandraisana dosie fanolorana tetikasa mety hahazoana fampindramam-bola ao anatin'ny fandaharan'asa Fandroso. Nanomboka ny 3 Aogositra 2026 ny fandraisana izany etsy amin'ny foiben-toerana etsy Soanierana Ankadimbahoaka, ka tao anatin'izay telo herinandro izay dia miisa 1.823 voaray manerana ny Nosy, ary avy any Toliara ny 22 amin'ireo. Nidina ifotony tany Toliara ny mpandritra ity fandaharan'asa ity nanao fampahafantarana ny Fandroso eny ifotony, mba hahafahan’ireo tanora sy ireo mpandraharaha mahafantatra bebe kokoa sy mandray anjara amin’ity fandaharan’asa ity. Ny fampandrosoana ara-toekarena no anisan’ny tanjona lehibe amin’ny alalan’ny fanohanana ireo tetikasa samihafa entin’ny tanora sy ireo mpisehatra eny ifotony.
ZANA-BOLA AMBANY
Tsiahivina fa ny 22 jolay 2026, teny amin'ny Lapam-panjakana Ambohitsirohitra, no nanombohana tamin'ny fomba ofisialy ilay Fandaharan'asa Fandroso. Nitarika izany ny Filohan'ny fanavaozana, Randrianirina Michaël. Fampindramam-bola amin'ny zana-bola ambany ho an'ireo tanora manana orinasa madinika mila ampitomboina sy fampindramam-bola ho an'ireo tanora manana nofinofy azo tanterahina, ity Fandaharan'asa ity. Marihina fa 200 Miliara Ariary, no avy amin'ny fanjakana Malagasy amin'izao fanombohana izao. Mizara roa ny fampindramam-bola. Voalohany ny "TSIRY" ho an'ireo tanora mpandraharaha, mitondra tetikasa vao manomboka, mpanorina orinasa vaovao, izay ahazoana fampindramam-bola hatramin'ny 60 Tapitrisa Ariary. Faharoa ny "TAFITA", natokana ho an'ny tanora efa manana orinasa, manana tetikasa fanitarana sy fanavaozana, izay ahazoana fampindramam-bola mihoatra ny 60 Tapitrisa Ariary. Misy tantsoroka sy fampiofanana ny Fandroso. Kendrena amin'izany ny hampahomby sy hahazoana vokatra tsara amin'ireo tetikasa vatsiana vola.
Jean D.
Hetsika fampahafantarana ny fandaharan'asa Fandroso tao Toliara
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT