Sosialy

Fanavotana ny JIRAMA Mitombo hatrany ny fahasarotana


  • Alarobia 16 Febroary 2022

Azo lazaina ho mitombo hatrany ankehitriny ny fahasarotana mikasika ny fanavotana ny Jiro sy rano Malagasy na ny orinasa JIRAMA.

Tany amin’ny fanombohan’ny resaka fikasana famindram-pitantanana ity orinasam-panjakana miantoka ny jiro sy rano eto Madagasikara ity tao anatin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina no efa nanomboka ny fanontaniana niteraka adihevitra hoe ho atao veloma hatreo ve izany ity orinasa ity? Mbola ho avotra ve? Nanomboka tany amin’ny 28 septambra 2016 tany ho any no nisian’ny resaka hoe nahita paika hahafahana manodina ny menaka mavesatr’i Tsimiroro hampitomboana ny fahafaha-mamatsy Jiro sy rano eto amin’ny firenena ny orinasa amerikanina Symbion power. Isan’ny nampamaivay ny adihevitra izany hoe omena ny amerikanina ve izany ny JIRAMA ary hatramin’ny desambra 2021 teo aza moa dia lasa tafiditra tao anatin’ilay raharaha mikasika ny fikasana hamono ny filoham-pirenena na “Apollo 21” mihitsy ity resaka Tsimiroro ity. Ny zava-misy amin’izao fotoana nefa moa na teo aza izany rehetra izany dia mbola mitohy ny fiainan’ny Malagasy izany atao hoe fahatapahan-jiro maharitra, mba tsy hilazana hoe lavareny izany. Raha ny teto Antananarivo sy ny manodidina fotsiny izao omaly dia nanodidina ny ora 1 sasany teo ny fahatapahan’ny herinaratra teny amin’iny Ambohimanarina sy Andranomena iny. Mbola niaina izany fahatapahana izany koa teny Vinany Itaosy teny. Namaivay ny delestazy taorian’ny fahamaizan’Andekaleka ny fiandohan’ny taona teo ary na dia nisy tsirim-panantenana aza ny hiverenan’izany tamin’ny laoniny dia io mitady hanondrana io indray izy ankehitriny, indrindra, taorian’ny fihavian’ilay rivodoza Batsirai teo. Raha aravina ny vahaolana nomen’ireo tekinisianina dia tokana ny vahaolana. Ny fanoloana tanteraka ireo fitaovana rehetra izay efa ela netezana ihany, izay manodidina ny 10 tapitrisa dolara eo ny sarany avy isan-tsampana. Izany hoe ny resaka famokarana herinaratra ao anatin’izany na “transformateur”, ny fitsinjarana azy na “groupe”, ny masinina isan-karazany marobe. Manana izany tetibola izany, indrindra, ny finiavana hanome izany ho fanavotana ny JIRAMA ve ny fitondrana ankehitriny sa efa miomana fatratra any amin’ny taona 2023 ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT