Sosialy

Fanavaozana ny tsenan’Anosibe Tsy mpivarotra ary tsy mponina ao ireo manakorontana


  • Alakamisy 25 Jolay 2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany omaly ny mponin’Anosibe, ny solontenan’ny mpivarotra ary ny TAM mpanao rugby izay mpiambina ny parking ao an-toerana.

 

 

 Nambaran’izy ireo fa tena mety aminy ary ekeny ny fanapahan-kevitry ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny amin’ny hananganana tsena vaovao amin’ny ampahany amin’ny parking misy ireo kamiao mpitatitra voatabia ao Anosibe. Nataon’ny olona sasany fametrahana fiara efa simba, fanariana maloto ary fivoahana fotsiny mantsy ity ampahana parking ity teo aloha. Mety, hoy izy ireo raha havadika fotodrafitrasa entina hanatsarana ny asa fiharian’ny mponina sady hanomezana asa ireo tanora eny an-toerana ihany koa. Ankoatra izay, mitombo ihany koa ny vola raisin’ny TAM mpanao rugby ao Anosibe satria mitombo ireo tsena arovany hahafahana mampiroborobo ny sehatry ny fanatanjahantena. Nomarihin’izy ireo fa tsy mponina ao an-toerana ireo tonga nanakorontana teny an-toerana niantso mpanao gazety afak’omaly fa andian’olona vitsy monja ary tsy mpivarotra ao amin’ity tsena ity akory. Roso ny asa fampandrosoana ny tanàna, hoy ny lehiben’ny tsena, Ramarosanda Landrie, fanapahan-kevitra izay nomarihiny fa efa nifandinihina lalina tamin’ny TAM.

 

Pati sy J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT