FANAVAHANA IREO KARAZAM-PAKO

Nanaovana fanentanana ny mponin’Ampefiloha


  • Alarobia 03 Jolay 2024

Mbola betsaka amin’ny olona no tsy mahay manavaka ny fako.

Ao ireo manambatra ny vary masaka sy ny diky amin’ny sachet ary ny tavoahangy plastika. Misy koa ireo manambatra ireto farany amin’ny fako tsotra avy ao an-tokantrano isan’andro ka mahatsiaro ho sahirana ireo mpiasan’ny SMA, sampandraharaha iray eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Mba hanalana fahasahiranana azy ireo sy ho fitandroana ny fahadiovana ary dia nanentana ny mponin’ Ampefiloha cité mba hahay hanavaka ny fako sy hanaraka ny rindran-damina amin’ny fakana fako eny ifotony ny SMA. Nanotrona izany ny Ministeran’ny rano sy ny fidiovana ary ny fahadiovana niampy ny kaominina Antananarivo renivohitra. Ao anatin’ilay tetikasa GESDA no hanatontosana izany. Fako tsara tantana no tanjona no sady ho tanana mahate-honina koa Ampefiloha. Ezahina hitarina maneran’Antananarivo renivohitra moa ity tetikasa ity.
Pati
Legende : Nandritra ny fanentanana natao omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT