Fanatsarana ny politikam-pambolena

Hampidirina ny fiarovana ireo karazana zava-manan’aina


  • Talata 19 Desambra 2023

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy

ny paikady entina manatanteraka ny tetikasa fambolena miaro ny zava-manan’aina na FMM Madagascar (Fampidirana ny karazan-java-manan’aina amin’ny sehatry ny famokarana ). Natomboka tany amin’ny jona 2022 izy io, misy famatsiam-bola 220 000 dolara avy amin’ny firenena Suèdois, fiaraha-miombon’antoka amin’ny Tahiry maneran-tany momba ny fanjarian-tsakafo, izay niainga tamin’ny famolavolana samihafa. Mifantoka amin’ny fametrahana paikady manokana hisorohana ny fahapotehan’ny karazan-java-manan’aina vokatry ny fampiharana ny fomba fambolena tsy manaraka ny fenitra sy hanamafisana ny fampidirana ny mahakasika ny karazan-java-manan’aina ao anatin’ny politika sy ny fomba fambolena eto amintsika ny tetikasa. « Miara-miaina ny tontolon’ny famokarana sy ny fiarovana ny zava-manan’aina. Hitarihana ny olona hanome lanja ny fambolena mikajy ny zava-manan’aina, ny fiarovana ny tontolo iainana », hoy ny Minisitry ny tontolo iainana Rtoa Vina Marie-Orlea. Miara-misalahy amin’izany ny Minisitera miisa 3 dia ny Minisiteran’ny tontolo iainana, Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana, ary ny Minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga. Nadritra ny atrikasa notanterahina omaly no nanolorana ny paikady avy amin’ny Tetikasa FMM, novolavolaina niaraka tamin’ny mpisehatra maro voakasiky ny fambolena sy ny fiarovana ny tontolo iainana, ho fanatsarana ny politikam-pambolena mampiditra ny fiarovana ny karazanjavamananaina ho laharam-pahamehana, ny fizarana ireo fomba fambolena manaja ny tontolo iainana tsara alain-tahaka ary ny fametrahana tetiandro ho fampiharana ny fampidirana ny karazan-java-manan’aina amin’ny fomba famokarana eto Madagasikara. Isan’ny niatrika ny atrik’asa omaly i Charles Boliko, Solontenan’ny FAO eto Madagasikara, Comores, Maurice ary Seychelles. Miisa 3 moa ny firenena misitraka ity FMM ity Afrika. Nampifanarahana amin’ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy na ODD moa ity tetikasa ity, raha ny fanamarihana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT