Sosialy

Fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy Lasa fanesoana vahoaka ny firesaky ny manampahefana sasany


  • Alakamisy 05 Janoary 2023

Tontolo roa samihafa mihitsy no manasaraka ny mpitondra sy ny entina ka toa manao kabary sy fanehoan-kevitra toa maneso vahoaka izany ireo mpitondra Fanjakana sasany.

Tsy finiavana hitsikera na hanakiana fa toa mampanongo tena ihany indray ny fanesoana vahoaka manara-penitra. Izy ireo no migalabona amin’ny tombotsoa misavovona ao anaty Fanjakana, dia ny vahoaka no lazaina fa efa miaina fampandrosoana sy fanatsaram-piainana noho ny ezaky ny Fitondram-panjakana ankehitriny. Anisan’izany ny ampahan’ny kabarin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Atoa Herimanana Razafimahefa afak’omaly nandritra ny lahateniny noho ny fiarahabana nahatratra ny taona 2023. Niaro mafy ny Filoha tamin’ireo ambara fa zava-bitan’ny fitondram-panjakana. Notsipihany fa efa manao ny ezaka rehetra ho fanatsarana ny fiainan’ny vahoaka Malagasy ny fitondram-panjakana ary hita efa mipàka isan-tokantrano izany ezaka izany amin’izao fotoana izao. Tena izany ve no zava-misy raha tarafina amin’ny hoe: niakatra 81% mahery ny tahan’ny Malagasy fadiranovana? Ny vidim-piainana midangana tahaka ny vary efa manodidina ny 900 sy 1000Ar izao no mipaka amin’ny fiainam-bahoaka ka asa raha mba hitan’itony lehibena andrim-panjakana izay mpiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana itony? Tsy finiavana hisintona lakolosy na hitsikera fa indraindray toa tsaratsara kokoa no tsy miteny toy izay manao fanesoana manara-penitra tahaka itony. Tsy vao sambany ny tahaka izao, fa efa nisy ihany koa ny fanehoan-kevitry ny mpanolontsaina ara-politikan’ny Filoha Atoa Soja Jean André izay nilaza fa rehefa tsy handroso amin’izao fitondran’ny Filoha Rajoelina izao I Madagasikara tsy handroso intsony. Tahaka izany ihany koa ny nilazan’ny Ambasadaorontsika any Maorisy Atoa Camille Vital fa ny solika eto Madagasikara no mora indrindra maneran-tany, izay nampitahainy amin’ny any Eoropa izay manodidina ny 2 euros na 8000Ar kanefa ny karama farany ambany aty manodidina ny 50euros raha toa ka 1200euros any ho any ny any Frantsa. Any amin’ny fifidianana sisa no hitsarana azy raha tena fifidianana madio fa toa manahirana ny maheno ireny fanehoan-kevitra miendrika tamberin’andraikitra noho ny fanendren’ny Filoham-pirenena ireny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT