Sosialy

Fanatsarana ny fiahiana ny ankizy Manantena ny fampiakarana ny tetibola ny UNICEF


  • Zoma 25 Oktobra 2019

Tsy mitsahatra mitotongana ny taham-pahalalana fototry ny ankizy nahavita ny taona fahadimy ao amin'ny ambaratonga fototra, araka ny tatitra navoakan'ny Tahirin'ny Firenena Mikambana ho an'ny ankizy,

 

 

 

na ny UNICEF, tamin'ny volana aogositra teo. Maro ny antony mety mahatonga izany. Fa tsy azo tsinontsinoavina ny hakelin'ny tetibola natokana ho an'ny fanabeazana eto amintsika. Ho an'ity taona 2019 ity dia mitentina 1.193 miliara izy io, ho an'ny minisiteran'ny fanabeazam-pirenena, ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak'asa. Raha ny tarehimarika dia niakatra io vola io, saingy raha ampitahaina amin'ny tany aloha dia nihena ny isan-jato. Tany amin'ny taona 2005, ohatra, dia ny 22%-n'ny tetibolam-panjakana manontolo no natokana ho an'ny fanabeazana, fa nilatsaka ambanin'ny 15% kosa, ho an'ity taona ity. Ampahany fotsiny amin'ireo olana sedrain'ny ankizy ny momba ny fanabeazana, fa ahitana tsy fahatomombanana ihany koa, ohatra, ny sehatry ny fahasalamana. Ankizy 59 amin'ireo 1.000 teraka, ohatra, no tsy mahatratra ny faha-5 taonany akory dia mamoy ny ainy. Ankizy 1 amin'ny 2 no tratran'ny tsifanjariantsakafo mitarazoka... Tranga mila arenina daholo ireo ary mila fahavononana pôlitika ny fanovana ny zava-misy. Azo atomboka amin'ny alalan'ny fandaniana tetibolam-panjakana mifanaraka amin'ny filàn'ireo sehatra misy ny ankizy rehetra izany. Tonga nandresy lahatra an'ireo solombavambahoaka teny amin'ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza indrindra ny avy ao amin'ny UNICEF, omaly, niaraka tamin'ny vondron'ireo mpahay toekarena malagasy (CREM) sy ny CCOC, ikambanan'ireo firaisamonim-pirenena miady mba hitsinjovana ny sehatra sosialy. Ankoatra ny fampahafantarana an'ireo olom-boafidy, ny momba ny zava-misy iainan'ny ankizy malagasy, dia nampahalala ny asa ataony ihany koa ny UNICEF. Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony moa dia nanipika Atoa Michel Saint-Lot, solontena maharitry ny UNICEF eto amintsika, fa manan-danja sy afaka mitondra fanatsarana ny parlemantera, amin'ny maha fahefana mpanao lalàna azy. Antenaina, noho izany, ny hiakaran'ny tetibola hatokana ho an'ny ankizy, ao anatin'ny tetibolam-panjakana 2020.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT