Sosialy

Fanatsarana ny fambolem-bary Hanome 65 miliara Ar ny Japonais


  • Alakamisy 27 Oktobra 2022

Tonga nanolotra ny dika mitovin’ny taratasy manendry azy hiasa sy honina eto Madagasikara tamin’ny Filoham-pirenena ny Ambasadaoron’i Japon vaovao Koji Abe omaly.

Noraisina tenyIavoloha, ary nisy avy hatrany ny soniam-piaraha-miasa taorian’izay. Tsara ny manamarika fa maro ny fiaraha-miasa amin’ny Japonais, raha tsy hilaza afatsy ny tetikasa goavana fanitarana ny seranantsambon’I Toamasina, tetikasa efa nanomboka tamin’ny Fanjakana teo aloha, ary mitohy ankehitriny. Isan’ny nisongadina omaly kosa ny fanomezan’ny Japonais vola 2,257 miliara Yen na 65 miliara Ar izay hanohanana ny fanajariana ny fambolem-bary sy fametrahana toeram-panatsarana ny masomboly eto Madagasikara. Nanamafy ny Japonais fa manohy ny fanohanana an’I Madagasikara amin’ny tontolon’ny fambolena, ka isan’ny lohalaharana izany ny sehatry ny fambolem-bary. Niara-nanasonia ny fifanaraham-piaraha-miasa io teo anatrehan’ny Filoham-pirenena moa ny Minisitry ny raharaham-bahiny mpisolo toerana sy ny Ambasadaoron’I Japon. Tanjona ny hampimboana ny masom-boly manara-penitra sy ny vokatra, ka fanamby ny hahazoana masomboly hatranyy amin’ny 10 000 taonina mba ho fanohanana ny politikam-pirenena momba ny fampiroboroboana ny fambolem-bary. Natao ihany koa io ho fanohanana sy tan-tsoroka amin’ny fampiodinana ireo rafitra misahana ny famokarana masom-boly azo antoka amin’ny alalan’ny fanaovazana sy fanajariana ara-pitaovana. Isan’ny voaresaka tamin’ny Ticad na ny fikaonandoha iraisam-pirenena teo amin’ny Tokyo mikasika ny fampandrosoana aty Afrika moa ny sehatry ny fambolena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT