Fanatsarana ny famatsian-drano eto Iarivo

Mitosaka ny fampanantenana, mihisatra ny vokatra


  • Zoma 10 Janoary 2025

Nankatoavan’ ny filankevitry ny Ministra ny alarobia teo ny fampitana am-bava momba ny fanatsarana ny famatsiana

rano eto Antananarivo. Hatomboka amin’ity enim-bolana voalohan’ity taona ity avokoa ireo fotodrafitrasa famokarana rano vaovao lehibe eto an-drenivohitra izay atao any Amoronakona sy Ambohitrimanjaka, hoy ny seraseram-panjakana. Miisa 29 ireo « groupes» namnbar fa apetraka eny anivon’ireo « stations de pompage » mba tsy hahatapaka ny famatsian-drano, izany no atao ho fitsinjovana ny famokarana ankehitriny. Nolazaina fa efa andalam-pamaranana avokoa ny fametrahana ireo « forages» miisa 35. Ity izay handaniana 4,9 miliara Ar raha ny fanapahana efa nataon’ny Fanjakana izany hoe : 142 tapitrisa Ar ny iray. Asa tahaka ny ahoana re izany lavadrano handaniana 142 tapitrisa Ar ny iray ? Raha tsiahivina, tao anatin’ny fotoana fohy, nahavita lavadrano am-polony maro hanampy ny mponina eto Antananarivo ny kandida ben’ny tanàna teto dia i Tahina Razafinjoelina izany hoe : azo atao ny manao zavatra fa ny finiavan’ny Fanjakana no tsy ampy, ary toa mbola ny bizina lehibe no lasa aloha. Ankoatra izay, nilaza ny Fanjakana fa ho fanohanana ny famokarana ao Mandroseza dia apetraka ao an-toerana ihany koa ny “unite compacte” hamokarana 20 000m3 isan’andro. Tsy vao omaly sy androany ny resabe nilazana fa hitondra vahaolana ka asa no ilain’ny rehetra fa tsy resaka ambony latabatra lava e !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT