Fanasan-damba eny amin’ny tetezan’i Bekiraro

Mampiady ny mpanjifa ireo tomponandraikitra


  • Alarobia 04 Septambra 2024

Maro ireo olona mampiasa ny «bassin» na fanasan-damba eny amin'ny tetezan'i Bekiraro

izay mitaraina fa anjakazakan'ireo mpikarama ny «Bassin» iombonana, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Araka ny lamina napetraka hatrizay dia «Bac» na toerana iray ny an'olona iray ary tsy azo atao ny mamandrika toerana mialoha fa izay tonga aloha no mampiasa izany, hoy ny fanazavana. Tsy izay nefa no misy amin'izao fotoana izao fa ireo mpikarama rehefa tonga dia manongotra ireo olona efa manasa lamba eo ka lasa ady no hiafarany. Tsy vao izao ity tranga ity fa efa ela no nisian'ny disadisa manoloana izany. Ireo tomponandraikitra moa dia mitango vola fotsiny fa tsy misy fanaraha-maso an'ireo mpanjifa, hoy ireo olona mampiasa ny «bassin» eny an-toerana. Mampiady ny mpanjifa, araka izany, ireo tomponandraikitra, raha ny fampitam-baovao sy fitarainana hatrany.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT