Fanarenana ny barazy

Befaka - Sahamadio


  • Alakamisy 18 Jona 2026

Sady hamokatra herinaratra no hanondraka tanimbary 1000Ha

Nampahafantarina ny vahoaka ao amin'ny Kaominina Sahamadio Fisakàna sy Fiadanana ary Milamaina Distrikan'i Fandriana fa hamboarina amin'izay ny barazy ao Befaka - Sahamadio. Tonga tany an-toerana nanambara izany ny solombavambahoaka voafidy tao Fandriana, Zavamanitra Andriamiharivolamena ny fiandohan'ny herinandro ity, nitarika ireo teknisiana tany an-toerana. Efa ho 5 taona tsy namboly vary intsony ireo mponina tamin'ireo Kaominina ireo noho ny fahasimban'io barazy io, ka velom-panantenana izy ireo ankehitriny. Nambara fa vitaina amin'ny faran'ny volana jolay hoavy izao ny fanaovana fanadihadiana rehetra ary hanomboka amin'ny volana Oktobra ny asa fanamboarana. Tanimbary 1000 hektara no hovoavatsy rano aorian'ny fahavitan'ny asa fanarenana ary dia hiverina indray koa ny jiro. Famatsiam-bola avy amin'ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ho an'ny fampandrosoana ny fambolena (FIDA) amin'ny alalan'ny fandaharan'asa DEFIS (Développement des Filières Agricoles Inclusives) eo ambany fiahian'ny Minisiteran'ny fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo no hanaovana azy izay hotanterahin'ny UNOPS (United Nations Office for Project Services).
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fisoratam-panambadiana
  • Zoma 19 Jona 2026

faobe tao Antehiroka «Ilaina sarihina amin’ny

  • Menaka 20 litatra
  • Zoma 19 Jona 2026

Nivadika rano maloto

  • Feno 10 taona ny sendika SSM
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Lasa minisitra ireo filoha

  • ORINASA AFAKA HABA
  • Alakamisy 18 Jona 2026

114 hosintonina ny « agrément »

  • Fisokafan'ny taom-piotazana
  • Alakamisy 18 Jona 2026

8.000 Ariary ny kilaon'ny

  • FOIRE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

INTERNATIONALE DE L'AGRICULTURE

Hijery ny tohiny
FTT