Nidina tampoka nijery ifotony ireo vidin’entana eny an-tsena na nanao ilay antsoina ilay antsoina hoe “visite inopinée” ireo minisitera miisa 03 (Minisiteran’ny varotra,
Minisiteran’ny filaminam-bahoaka ary ny Sekretera Jeneraly miadidy ny Zandarimariam-pirenena manoloana ireo mpivarotra sasantsasany manararaotra mampiakatra ny vidin’entana. Izao no natao dia ny mba hitsinjovana ny vahoaka Malagasy ary hiarovana azy ireo amin'ny fanararotana maro samihafa ataon'ny mpivarotra sasantsasany mampiaka-bidy sy mampirina ireo entana madinika ilaina amin'ny fiainana andavan'andro, hoy ny fanazavana. Ny mpitandro ny filaminana dia manentana ireo vahoaka mba hiantso azy ireo raha toa ka mahita mpivarotra mampiakatra ny vidin'entana tsy amin'ny rariny fa handray fepetra avy hatrany izy ireo. Toerana maromaro malaza ratsy amin’ny fampiakarana vidin’entana no notsidihin’izy sy nisantanarana ny hetsika omaly, tahaka ny tsenan’Anosibe, Soamanatombo sy Namontana ka mpivarotra telo 3 no tsy maintsy nakatona avy hatrany noho ny tsy fanarahan-dalana.
Tsy maintsy 1800 ariary ny kilao
Mikasika ny vidim-bary manokana moa dia nofaritan’ny Ministera fa tsy maintsy mijanona ho 1800 Ar ihany ny kilao, fanapahan-kevitra tapaka nandritra filankevitry ny ministra farany teo ihany koa. Hisy arak’izany ny sazy henjana omena ireo mpivarotra mbola minia manararaotra ihany, indrindra ao anatin’izao fotoana efa manahirana ny vahoaka Malagasy izao. Misy mihitsy ny laharana maitso hahafahan’ny vahoaka manao fitarainana eo anatrehan’ny fanararaotana mihoampampana, dia ny 034 30 812 84.
Toky R sy Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.