Hamafisina ny fanaraha-maso sy ny sazy,
napetraka ny laharana maitso
Naneho fiondrehana am-panajana manoloana an'ireo mpiray tanindrazana namoy ny ainy noho ny fandalovan'ny Rivodoza GEZANI ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC), Haingotiana ANDRIAMADISON, ary irary fahasitranana haingana koa ho an'ireo izay naratra. Nankahery ireo rava fanananana sy traboina. Eo anatrehan'ny zava-mitranga izay mifamatotra amin'ny fiainana andavanandro sy sosialim-bahoaka, nanao antso avo ho an'ny mpandraharaha, mpanafatra entana, mpamongady ary mpivarotra rehetra manerana ny Nosy ny Ministeran'ny Varotra sy ny Fanjifana mba hisian'ny fifampitsinjovana, tsy hanararaotra izao fahavoazana vokatry ny rivo-doza izao, toy ny fanafenana ireo tahirinen'entana na "rétention de stock" mety hiteraka fiakaran'ny vidin'entana. ka hampiakatra ny vidin'entana. "Hisy ny fanaraha-maso tsy tapaka ny vidin'entana eny an-tsena, ny tahiry ary ny lalan'ny fitsinjarana ny entana na ny « circuit de distribution », ka ho hentitra amin'ny fampiharana ny Lalana izahay eto amin'ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana », hoy ny Minisitra Haingotiana Andriamadison. Noho izany hiparitaka manerana ny tsena ireo mpanara-maso ny varotra sy ny fifaninana hanao ny fitsirihana mba hialana amin'ny mety ho fanararaotana. Hohamafisina manokana izany ho an'ny Faritra Atsinanana satria hita fa maro ireo trano fitehirizana entana no tratran'ny fahavoazana. Misokatra ho an'ny rehetra ny Laharana maitso 961 andraisana ny fitarainana raha misy ny toe-javatra mampiahiahy manohintohina ny fisitrahan'ny mpanjifa ny zony, hoy ny Minisitry ny varotra sy fanjifana Rtoa Haingotiana Andriamadison.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.