Sosialy

Fanararaotam-pahefana any Brickaville Mampitaraina ireo marary


  • Sabotsy 23 Febroary 2019

Velon-taraina tanteraka ireo marary manodidina ny tobim-pahasalamana iray any Brickaville noho ny afitsoky ny lehiben’ny mpitsabo iray any an-toerana.

 

 Manao karaoke mandrakariva ity tompon’andraikitra ity rehefa mamo ary mitondra ekipa mihitsy. Ankoatr’izay dia miady aman’olona lava izy sy ny vadiny ka tsy misy fiaraha-monina vanona mihitsy satria eo ambodin’ny hopitaly izy ireo no mipetraka. Malahelo ireo olona marary sy ireo mpiandry marary ary nilaza fa fanararaotam-pahefana no ataon’ity tompon’andraikitra amina fitsaboana ity. Manao antso avo amin’ny fanjakana sy ny tompon’andraikitra mahefa izy ireo fa tena fijaliana sy tsy fitoniana no iainany. Sady tsy mba misy torimaso feno ho an’ireo marary no tabataba lava no iainana isan’andro izay miteraka fitaran’ny aretina, hoy ireo marary sy ny fianakaviany.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT