Sosialy

Fanarahamaso ireo fiara fitaterana 50 000 Ar isam-bolana ny saran’ny fametrahana GPS


  • Alarobia 15 Janoary 2020

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny PK0 Antanimena ny mahakasika ny tolotra GPS apetraka amin’ny fiara.

 

 

Maro be ny tombony azo amin’izany ka anisany ny ahafahana manaraka amin’ny finday ho an’ny tompona fiara, ny fotoana sy ny toerana misy ny fiara. Misy ihany koa ny tatitra azo amin’ny fampiasana GPS tahaka ny lalana vitan’ny fiara . Eo koa ny fampahatsiahivana raha efa akaiky lany ny Assurance na ny Visite technique. Ankoatra izay dia misy ny bokotra potserina fotsiny (bouton panique) raha sendra misy ny loza ary manome famantarana ny GPS raha mandeha mafy loatra na misy zavatra tsy tomombana ny fiara. Amin’izany rehetra izany dia efa misy vovonana iarahan’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) sy ny zandarimaria izay miasa amin’ny 24/ 24ora ka raha sendra misy loza dia ny mpitandro ny filaminana akaiky indrindra ilay fiara no ho tonga avy hatrany. Tombony amin’izany ihany koa ny fandrindrana ny fifamoivozana sy ny taksibe amin’ny hifamoivoizan’ny fiara (heure de pointe), ny fitsinjarana ny fiara fitaterana anaty zotra, ny fampihenana ny fitohanana an-drenivohitra ary ny fampiasana application ahafantarana ny ora handalovan’ny fiara horaisin’ny mpandeha. Rehefa izay dia hosorohana ny lozam-pifamoivozana, ny tsy fanarahana ny bokin’andraikitra, ny tsy fanarahan-dalàna mampitaraina ny mpandeha, ny halatra fiara ary voakojakoja ho azy ny fiara. Hiova ny fitondrantenan’ny mpamily noho izy mahafantatra fa arahi-maso satria na ny hafainganam-pandeha aza vao mihoatra ny 80Km/h dia hisy zavatra haneno. Ny ligne D mampitohy an’i Vassacos- Ivato moa no natao fanandramana tamin’ity tetikasa ity ary nilaza ny tompon’andraikitra fa hatreto dia tsy nisy fandikan-dalàna hita. 70 eo ho eo amin’izao ny fiara mampiasa GPS ary 50 000 Ar isam-bolana ny sarany. Maro ny mpitatitra no mbola misalasala ary misy ny nanambara fa mavesatra izany saingy nilaza ny tompon’andraikitra fa ireo izay mampiasa ny GPS dia afaka misitraka tombony tahaka ny fampidinana ambany kokoa ny Assurance sy ny fahafahana mahazo kojakojana fiara mora tahaka ny kodiarana noho ny fiaraha-miasa misy.

Tsirinasolo

 

    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT