Sosialy

Fanaraha-maso ny vidin’ny Vitogaz Nanao fidinana tampoka ny Minisiteran’ny varotra


  • Alakamisy 13 Janoary 2022

Niara-nidina tampoka teny anivon'ny mpaninjara mivarotra entona fandrehitra Vitogaz ny delegasiona avy eto amin'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana (MICC)

 notarihan'ny Tale Jeneralin'ny Varotra sy ny Fanjifana (DGCC) Naina RANDRIAMANANJARA sy ny Orinasa Vitogaz omaly 12 janoary 2022. Niompana tamin'ny fijerena sy fanamarinana ny lanjan'ny entona fandrehitra izany fidinana izany hikajiana ny tombontsoan'ny mpanjifa vokatry ny fitarainana voaray mikasika ny entona fandrehitra amidy eny amin'ireny toeram-pivarotana entona fandrehitra ireny. Ara-dalàna avokoa ny entona fandrehitra sendra azy ireo teny amin'ny Shell Behoririka sy Supermaki Ankadifotsy. Hitohy manerana ny Nosy ny hetsika fanaraha-maso sy fanamarinana ao anatin'ny fotoana tsy voafetra. Miakatra izay tsy izy ny vidin'ny entona fandrehitra eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, saingy mijanona ho amin’ny vidin’ny teo aloha, izay naverina tamin’ny laoniny taorian’ny fampiakarana kosa izany ho an’ny eto Madagasikara. 24 500Ar ar ny vitogaz 4kg, 51 800Ar ny 9kg, 72 000Ar ny 12,5kg,... Notsindrian'ny DGCC kosa anefa fa marin-toerana izany ary voahaja ny vidiny napetraka nanomboka ny volana desambra 2021 vokatry ny fifampiresahana teo amin'ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy Mpitantan-draharaha nomem-pahefana ao amin'ny orinasa Vitogaz. Miezaka hatrany ny Minisitera miaro ny fanajana ireo zo sy tombontsoan'ny mpanjifa izay tafiditra ao anatin'ny fanatanterahana ny Veliranon'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina, hoy ny fanazavana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT