Fanaraha-maso ny tontolon’ny asa

Mpitsara 4 sy mpanara-maso 3 hiofana any Italie


  • Talata 23 Janoary 2024

Noho ny fanohanan’ny Rafitra iraisam-pirenena momba ny asa na ny OIT,

mpitsara miisa 4 sy mpanara-maso ny tontolon’ny asa na «inspecteurs du travail » miisa 3 no hahazo fiofanana any Turin Italie. Hampitombo fahalalana mikasika ny fisorohana ny loza arak’asa sy ny fanatsarana ny tontolon’ny asa, ary ny fifandraisana ara-tsosialy eo ami’ny sehatry ny asa izy ireo. Fiofanana mikasika ny resaka maha lahy na maha vavy sy ny tsy fanilikilihana ary ny ho avin’ny asa no harahin’ireo mpitsara, ary ny fanofanana ho mpampiofana amin’ny fametrahana rafitra mpanara-maso ny asa ho maoderina sy mahomby kosa ny an’ireo mpanara-maso ny tontolon’ny asa. Tanjona ao anatin’izao ny fanamafisana ny fahaiza-manao nasionaly sy ara-drafitra ho fampandrosoana ny fahaiza-manao eo amin’ny fanaraha-maso ny sehatry ny asa, ary hampiakarana ny fahaiza-manaon’ireo mpitsirika momba ny asa. Natao ny faran’ny herinandro lasa teo ny fanolorana ireo fanofanana ireo teny amin’ny Foiben-toeran’ny OIT, ka nanatrika izany ny Minisitry ny asa sy ny fampanan’asa ary ny asam-panjakana, ny solontenan’ny OIT ho an’i Madagasikara sy Comores ary Maurice sy Seychelles, ny Tale Jeneralin’ny CNaPS.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT