FANAPOIZINANA ARA-TSAKAFO

Tafakatra 69 ireo marary ao Bongatsara


  • Zoma 31 Oktobra 2025

Tsy mety tapitra ireo olona marary vokatry ny

fanapoizinana ara-tsakafo nitranga tao amin'ny kaominina Bongatsara, distrikan'Atsimondrano. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin''ny Ben' ny tanana Randrianandrasana Richard omaly mantsy dia tafakatra 69 isa indray izy ireo raha 53 isa no niandohany nanomboka ny faran'ny herinandro teo. Misy hatrany ireo marary vaovao raha mbola misy ireo vao nivoaka ny hôpitaly manaraka fitsaboana. Nambarany araka izany fa voatery raisin'ny kaominina an-tanana avokoa ny fitsaboana ireo marary rehetra. Ilay toeram-pivarotana nahitan-doza kosa tsy maintsy nakatona. Tsiahivina moa fa vokatry ny fihinanana composé sy sandwich no nahatonga ity fanapoizinana ara-tsakafo tao Bongatsara ity. Toy ny voan'ny tazo ireo nihinana Izany, fanina ary nalemy tsy tafatsangana, soritr'aretina nikambanan'ireo marary rehetra. Na izany aza tsy nisy ireo namoy ny ainy.
Pati
Légende : Izy no Rabenandrasana Richard, Ben'ny tanana ao Bongatsara!
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT