Sosialy

Fanaparitahana rongony Lehilahy iray no tratra teny amin’ny By pass


  • Alatsinainy 16 Martsa 2020

Lehilahy iray 32 taona no voasambotry ny polisin'ny "STUP" Anosy ny zoma 13 martsa teo noho ny resaka fitondrana rongony.

 

 

 

 Loharanom-baovao avy amin'ny olona tsara sitrapo no nahafantarana fa misy olona mitondra rongony eny amin'ny By pass ambanin'Ifarihy. Nidina teny an-toerana ny polisy nanao fanamarinana ka tra-tehaka tao an-tranony ity lehilahy ity miaraka amin'ny rongony 3 gony milanja 18 kilao sy 700 grama. Rehefa natao ny fanadihadiana  dia nilaza izy fa nampitondraina lehilahy iray izay miara miasa aminy avy any Ihosy ireo rongony ireo ary efa misy olona mandray azy eto Antananarivo. Niaiky ity lehilahy ity fa izy no nitondra ireo rongony ireo niainga avy any Ihosy niakatra teto an-drenivohitra. Natolotra ny Fitsarana tamin’ny sabotsy teo ny lehilahy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT