Sosialy

Fanapariahana vary safiotra eto Nanamafy fiaraha-miasa ny STOI sy Yuan’s international


  • Alarobia 26 Jolay 2023

Miditra amin’ny fanapariahana ny vary safiotra iarahana amin’ny sehatra tsy miankina, ny vondron’orinasa STOI na Société trading de l’Ocean Indien,

ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana, ny mpiara-miombon’antoka sinoa dia ny Yuan’s international izay tompon’ity vary safiotra ity isika amin’izao fotoana izao, hoy ny tomponandraikitra avy eo anivon’ny STOI, Tahiana Razanamahefa. Nisy, hoy izy, ny fanasan’ny Yuan’s ny STOI tany Chine ho fanamafisana ny fiaraha-miasa ny fanapariahana ity karazam-bary ity aty Madagasikara. Efa maro ankehitriny ny firenena afrikanina liana tanteraka amin’izany fambolena sy fanapariahana vary safiotra izany. Isika eto Madagasikara, 12 taona lasa izay no efa nanomboka izany tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny STOI sy Yuan’s international. Ny taona 2017 no nanomboka ny fanapariahana. Vahaolana ho an’ny tantsaha ao anatin’izay dia ny hoe mila isika mamboly safiotra. Hanomboka amin’ny septambra izany, ho an’ity taona ity. Ny fanjakana no manolotra ny toerana dia ny sehatra tsy miankina no manaparitaka. Efa mihena izany ankehitriny ny fanafarana masomboly avy any ivelany satria manomboka manaparitaka eto an-toerana isika. Niakatra 7% teo ny tahan’ny voka-bary teto Madagasikara. 9% izy tamin’ity taona ity ary inoana fa mbola hiakatra amin’ny taona hoavy.Tanjona ny hahatongavan’i Madagasikara amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo fa eo ihany koa ny fahazoana antoka ara-tsakafo na “sécurité alimentaire” manoloana ny zava-misy iraisampirenena izay hitantsika ny fahasarotan’ny fahazoana zezika. Eo ihany koa ny toetr’andro satria rehefa misy ny fiovaovan’ny toetr’andro dia misy koa ny loza voajanahary samihafa izay ilana ijerena vahaolana maharitra ahatongavana amin’izay fahavitan-tena ara-tsakafo izay. Masomboly efa natao andrana izay mifanaraka tsara amin’ny toe-tany eto Madagasikara sy ny tanimbary eto no jerena dia ilay karazany miisa 3 na 901, 902, 902-3. Miditra amin’ny “industrialisation” na fametrahana orinasa manodina akora koa isika ka hisy koa, araka izany, izay antsoina hoe “usine d”engrais” apetraka eto izay alohan’ny faran’ny taona eto Madagasikara ahafahan’ny tantsaha misitraka izany zezika izay tena singa iray lehibe satria ahafahana mampiakatra ny tahan’ny voka-bary eto amintsika izay, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT