Sosialy

Fanapariahana fanafody tsy azo antoka Efa tambajotrana mafia mihitsy


  • Alatsinainy 25 Febroary 2019

Miparitaka ny fanafody eto Madagasikara izay misy ny tsy azo antoka satria efa tambajotrana mafia no manaparitaka azy. Efa tsy manaraka ny dingana samihafa miainga amin’ny ozinina mpamokatra, mpamongady (grossiste),

 

 

 farmasia, “depositaire client” na ireo mpaninjara sy mivarotra mivantana fa samy manao ny ataony rehetra. Ny mpivarotra indrindra any ambanivohitra dia maro ny tsy manana taratasy kanefa mivarotra fanafody avokoa. Ny “épicerie” mivarotra fanafody anefa dia tsy mahalala intsony na lany daty ny zavatra amidiny. Maro ireo mpamongady, indrindra fa ny tantanin’ny karana dia izay te hividy dia omeny avokoa. Ny zava-misy tahaka ny eny Ambohipo moa tsy lazaina intsony. “Any Maroantsetra any dia misy tsikombakomba ataona tompon'andraikitra sy manampahefana vitsivitsy sy ireo sy ireo mpanaparitaka fanafody. Ny fantatro aloha dia tahaka ny mivarotra sy mividy bonbon, indrindra ireo Betsileo amin'ity resaka ity ary eny an-dalana dia io no feno baoritra efa tsy miafina”, hoy ny fampitam-baovao iray. Any amin’iny lalàm-pirenena faha-7 mivily mankany Ilempona, Antanifotsy mankany Ambohitompoina hatrany Belanitra izay saro-dalana dia amidy eny ambony latabatra ny fanafody, hoy ny fampitam-baovao. Ny mpanjifa tsy mahafantatra fa ny mividy no fantany nefa misy lalàna mifehy azy io. Fotoana izao mba handraisan’ny minisiteran’ny fahasalamana andraikitra. Fahasitranana no andrandraina kanefa mety ho aretina na fahafatesana mihitsy no miandry noho ny gaboraraka amin’ny famarotana fanafody.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT