Tsy mifanaja ny mpampiasa sy ny mpitondra»
Mihoatran’ny 2000 isa ny mpikamban’ny Randrana sendikaly tonga nanamarika ny fetin’ny asa farany teo teto Antananarivo, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga. Tratra ny tanjona izany, hoy izy, raha ny resaka isan’ny olona saingy ny mikasika ny fitakiana kosa dia tsy tratra satria tsy afaka nitaky raha toa ka eny an-dalambe no tokony hanaovana izany. Ry zareo mpitondra fanjakàna izay tokony handray ny fitakian’ny mpiasa indray no niteny mialoha dia lasa avy eo. Nody koa ny Randrana sendikaly satria tsy hitany intsony ny tokony nijanonana tao. Tsy nisy ny marimaritra iraisana teo amin’ireo sendika miisa 4 nisolo tena ny mpiasa malagasy sy ireo vondron’ny mpampiasa. Ho «surprise» na tsy ho ampoizin’ny rehetra izany ny mari-karama farany ambany ho voalaza anatin’izay didim-panjakàna momba izany eo. Tsy mifanaja ny mpampiasa sy ny mpitondra satria tsy tonga tamin’ny fivoriana tokony natao momba izany ireo mpampiasa. Olona tsy naha tapa-kevitra no nalefany na taratasy, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.