Sosialy

Fanantenana FAFI V Nanome fanampiana ireo mpamaky vato


  • Talata 13 Desambra 2022

Olona sahirana mpamaky vato aman-jatony teny amin’ny « carrière » Ambatomaro no samy nahazo fanampiana toy ny vary, menaka, savony,

voamaina avy tamin’ny filohan’ny fikambanana mpanao asa soa Fanantenana FAFI V, Hanitriniala Fanantenana, sy ny Solombavambahoakan’ny boriborintany fahadimy, Naivo Raholdina, ao anatin’izao akatoky ny fetin’ny noely sy taom-baovao izao. Samy nahazo anjara avokoa, hoy ny fanazavana, na ny zokiolona, na ny reny sahirana na ny ankizy teny Ambatomaro sy Ampanotokana ary notsidihany isan-tokantrano kosa ireo zokiolona ka notolorany solom-body akoho ho fanampiny ary vatomamy sy biskoitra ho an’ny ankizy. Ahitana mpanasa lamba aman-jatony ihany koa ny fokontany Ambatomaro ka samy nomena fanomezana mitovy fa amin’ny maha mpanasa lamba azy dia niampy koveta lehibe sy savony ny azy ireo. Torak’izany koa ny teny Ampanotokana izay ahitana vehivavy mpanasa lamba maromaro ka samy notolorana fanomezana mitovy avokoa. Toy ny fitia vary aloha ihany ireny, hoy hatrany ny filohan’ny Fanantenana FAFI V, mahavonjy fa tsy mahavita taona ka hitohy hatrany ny fanampiana ireo sahirana mendrika ny ho ampiana, indrindra moa amin’izao faha 15 taonan’ny fikambanana izao araka ny teny filamatra hoe «Aza manao kely tsy mba mamindra!».
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT